Romans 10

1Ry rahalahy, ny irin’ny foko sy ny angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireo, dia ny famonjena azy ireo. 2Fa mijoro vavolombelona momba azy ireo aho fa mafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo, nefa tsy araka ny fahalalana. 3Fa tsy mahafantatra ny fahamarinan’Andriamanitra ireny, ary mitady hametraka ny fahamarinan’izy ireo manokana. Tsy mnanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra izy ireny.

4Fa Kristy no fahatanterahan’ny lalàna ho fahamarinana ho an’izay rehetra mino. 5Fa Mosesy manoratra momban’ny fahamarinana izay avy amin’ny lalàna hoe: “Ny olona izay manao ny fahamarinan’ny lalàna dia hiaina amin’izany fahamarinana izany.”

6Fa ny fahamarinana izay avy amin’ny finoana dia milaza hoe: “Aza milaza izao ao am-po hoe: ‘Iza no hiakatra any an-danitra?’ (izany dia, mampidina an’i Kristy); 7ary aza miteny hoe: ‘Iza no hidina any amin’ny lalina?’” (izany dia, mampiakatra an’i Kristy amin’ny maty).

8Fa inona no ambaran’izany? “Eo akaikinao ny teny, ao am-bavanao ary ao am-ponao.” Izany no tenin’ny finoana, izay ambaranay. 9Fa raha amin’ny vavanao no anekenao an’i Jesosy ho Tompo, ary mino amin’ny fonao fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty Izy, dia ho vonjena ianao. 10Fa amin’ny fo no inoan’ny olona ny fahamarinana, ary amin’ny vava no anekeny ny famonjena.

11Fa hoy ny Soratra Masina hoe: “Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.” 12Fa tsy misy fahasamihafana eo amin’ny Jiosy sy Grika. Fa Tompo iray ihany no Tompon’ny rehetra, ary harem-pahasoavana ho an’izay rehetra miantso Azy Izy. 13Fa izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no ho vonjena.

14Ahoana ary no ahafahan’izy ireo miantso Azy izay tsy ninoany? Ahoana no ahafahan’izy ireo mino Azy izay tsy ren’izy ireo? Ahoana no ahafahan’izy ireo mandre raha tsy misy mpitory? 15Ary ahoana no ahafahan’izy ireo mitory, raha tsy nisy naniraka? _ Araka ny voasoratra hoe: “Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireo manambara ireo zava-tsoan’ny filazantsara!”

16Kanefa tsy izy rehetra no nihaino ny filazantsara. Fa hoy Isaia hoe: “Tompo, iza no nino ny hafatray?” 17Noho izany ny finoana dia avy amin’ny fihainoana, ary ny fihainoana avy amin’ny tenin’i Kristy.

18Fa hoy aho hoe: “Moa ve tsy nisy nandre izy ireo?” Eny, tena marina. “Ny feon’izy ireo dia efa nivoaka maneran-tany, ary ny tenin’izy ireo hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao.”

19Ankoatra izay, hoy aho hoe: “Moa ve tsy nahafantatra ny Israely?” Tamin’ny voalohany Mosesy nilaza hoe: “Ho ataoko saropiaro amin’izay tsy firenena akory ianareo. Amin’ny firenena izay tsy misy fahalalana, ho ataoko tonga amin’ny fahatezerana ianareo.”

20Ary eo tena sahy tokoa Isaia rehefa niteny izy hoe: “Hitan’ireo izay tsy nitady ahy aho. Niseho tamin’ireo izay tsy nanontany ahy aho.” Fa hoy izy tamin’Israely hoe: “Tontolon’ny no nanatsorako ny tanako tamin’ny olona tsy mankatoa sy maditra.”

21

Copyright information for PltULB